ORCHIDEE BLANCHE : hiresaka amin’ny ray aman-dreny

Hiresaka momba ny fahasembanana ara-tsaina, ny fanaitairana ireo retsi-pandre, ny fanaitairana ara-batana, ny CME Orchidée Blanche manomboka amin’io herinandro io, eny Androhibe.
Fihaonana arahina fifanakalozana sy fifampizarana no hatao amin’izany. Hiompana betsaka amin’ny fanaitairana ny vavahadin-tsaina ho an’ny zaza madinika 1 hatramin’ny 8 taona no hatao amin’izay.
Natao indrindra ho an’ireo ray aman-dreny te hanana fahalalana misimisy kokoa na ireo manana fahasahiranana amin’ny fitaizana zaza sy fanabeazana ny zaza manana fahavotsana ara-tsaina izany. Tanjona ny mba hanampiana ireo ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ny zanany. Betsaka ireo ray aman-dreny manan-janaka manana fahatarana amin’ny fivelaran-tsaina ka mila ny tohana toy izany. Tsy mora ny mitaiza zaza manana fahavotsana ara-tsaina fa mila fifanohanana sy fifanampiana.
Ny alarobia 25 oktobra no iresahana ny mikasika ny fahasembanana ara-tsaina. Ny 15 novambra kosa, iresahana ny momba ny fanaitairana ireo retsi-pandre ary ny alarobia 6 desambra iresahana mikasika ny fanaitairana ara-batana.

Tatiana A

Partager sur: