Tonga nitsidika ny oniversiten’i Barikadimy, Toamasina, ary noraisin’ny filohan’ny oniversite, Dr Razanakolona Diny, niaraka tamin’ny filoha lefitra misahana ny fifandraisana
ivelany ny mpandrindra ny foibe Anglisy Corner anivon’ny oniversiten’i Barikadimy sy ny mpanolotsaina misahana ny serasera sy kolotsaina anivon’ ny masoivohon’ i Etazonia eto Madagasikara, Ryan.J Peseckas, ny herinandro lasa teo. Voaresaka nandritra izany ny fanamafisana sy fampivoarana ny “English Corner” ho lasa “American Corner”. Ho fanomanana amin’ny “TOEFL” sy ho fampivondronana amin’ny alalan’ny hetsika akademika ny manam-pahaizana amerikanina sy malagasy. Naneho ny heviny amin’ny fahavononany hanamafy bebe kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra ny USF oniversiten’i Florida Atsimo sy oniversiten’i Barikadimy ny tenany.
Sajo




