Voalaza fa maty voatifitra teo amin’ny loha ny iray tamin’ny mpitokona, omaly, teny Ambatofotsy. Nisy 16 hafa nosamborina. Mitaky ny tsy hanesorana azy ireo eny amin’ny Fasan’ny Karana izy ireo. Milaza ny tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana.
Nidina an-dalambe teny amin’ny lalam-pirenena fahafito ireo mpitatitra avy eo amin’ny Fasan’ny Karana, omaly tamin’ny 11 ora sy 11 minitra. Nitondra sorabaventy sy nandoro kodiarana ary nanapa-dalana teny Ambatofotsy. Antony ny fitakian’izy ireo ny hijanona eo amin’ny Fasan’ny Karana fa tsy hifindra eny amin’ny tobim-piantsonana vaovao Amoronakona. Nidina teny an-toerana koa ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo, nahitana ny FIP, ny USI, niaraka tamin’ny SCUSI. Nanomboka nitora-bato ireo mpitolona. Nanaparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ny ankilany.
Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Olona iray no naratra mafy voan’ny bala teo amin’ny tarehiny. Nentin’ny polisim-pirenena novonjena haingana teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy saingy tsy tana ny ainy. Voan’ny bala teo amin’ny lohany izy ka nitarika tamin’ny fahafatesany, raha ny fanazavana nataon’ny havany izay tonga nijery azy teny amin’ny tranom-paty, omaly. Ankoatra izay, olona telo hafa naratra nandritra ny hetsika. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA avokoa izy rehetra.
16 hafa voasambotra
Nahatratra16 ireo olona voasambotra nandritra ny hetsika, vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny Brigade criminelle Anosy. Marihina fa efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo mpitolona teny an-toerana. Nivoitra tamin’izany ny tokony hanaovana hetsika am-pilaminana mba tsy hahatongavana any amin’ny herisetra. Tsy voatana anefa izany ary izao niafara tamin’ny fahafatesana sy nahasamborana olona mpanao fihetsiketsehana izao.
Tsy hihemotra ny fanjakana
Manoloana ny fihetsiketsehana ataon’ireo mpitatitra eny amin’ny Fasan’ny Karana, nilaza ny tsy hiova hevitra amin’ny fanesorana ireo fiara mpitatitra ny avy amin’ny fitondram-panjakana, raha ny fanazavana nataon’ny minisitry ny Fitaterana, omaly. Nambarany fa tsy handefitra ary miantso ny mpandeha sy ny mpamily rehetra mba ho eny amin’ny tobim-piantsoanana eny Amoronakona. Anio ny fe-potoana farany hifindran’ireo mpitatitra eny an-toerana.
Mino




