“Youth mobile” : « Applications » 4 hanampy ny vehivavy

Nampahafantarina nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zatovovavy ny « applications » efatra avy amin’ny tetikasan’ny tovovavy 18-30 taona taorian’ny fiofanana nomen’ny Unesco sy ny Orange Digital Center amin’ny hetsika « Youth mobile ». Manome vahaolana mikirakira ny teknolojia vaovao ahatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy ny tetikasa. Nandritra ity taona ity, nisy ny tantsoroka natao ho an’ny ekipa efatra niavaka momba ny fitantanana orinasa sy ny fanatsarana ny « application »-n’ izy ireo.
Efa azo alaina amin’ny internet ireo “applications” efatra ireo ary ampiasaina ho an’ireo rehetra liana. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ny “application Intimacy” mampivoatra ny vehivavy sady fitaovana hanabeazana sy hanohanana azy ireo amin’ny andavanandrony. “Woman’s” ny faharoa izay fitaovana ahafahan’ny vehivavy manaraka ny fadimbolany sy manome torohevitra amin’ny fomba fandrindram-piterahana. Fahatelo ny Jampela, mbola manampy amin’ny fandrindram-piterahana. Nahazo ny loka “Coup de cœur” kosa ny Fight Girls, amin’ny “application Lawcode” mampahafantatra ireo lalàna misy eto amintsika.

Vonjy

Partager sur: