Matetika no tsy voahaja ny “franchise universitaire” fa izay vao nanao fanambarana ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo izay manameloka ny fanaovana hetsika politika anatin’ny faritry ny oniversite.
Nanao fanambarana ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo, ny alarobia lasa teo, fa toerana natokana ho an’ny fampianarana sy fikarohana ny onivesiten’Antananarivo ary manana “franchise universitaire” tokony harovana. Mampahatsiahy ny mpitantana, noho izany, fa tsy azo anaovana hetsika politika na fampielezan-kevitra ny oniversite sy ny faritra rehetra ao anatiny. Manameloka ny zava-nitranga (fihetsiketsehana notarihin’ny solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo), ny sabotsy lasa teo, teny Ankatso II, ny tomponandraikitra ary mangataka ny hanamafisana ny sakana fidirana ny “campus” hitandroana ny filaminana sy hanajana ny “franchise”.
Ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23 koa dia nangataka ny hanajana
ny “franchise universitaire”, indrindra rehefa misy hetsika fitakiana ataon’izy ireo. Matetika tafiditra hatrany amin’ny faritry ny oniversite ny mpitandro filaminana misambotra sy mikasi-tanana mpianatra. Ny fiadidiana ny oniversite no afaka manala ny “franchise” ka manome fahazoan-dalana hiditra ny faritra.
Mbola teny Ankatso ihany, omaly, nandeha nitety ireo lalam-piofanana mbola nisy fampianarana ny mpianatra avy ao amin’ny fakiolten’ny siansa nanentana azy ireo hivoaka sy hampiato izany. Manahy ny hisian’ny taona fotsy ny mpianatra ary tsy manaiky ny tsy fitoviana eo amin’ny fakiolte sasany ahitana mpampianatra manohy ny asany. Nanome 72 ora ho an’ny fanjakana rahateo ny fikambanan’ny mpianatra hamaha ny olana sosialy marobe sy hijery ny fitakian’ny Seces.
Vonjy




