Fifamoivoizana: miteraka loza ny tsy fitandreman’ ny mpamily

Hatao mandritra ity volana oktobra ity ny fanofanana ireo mpamily fitateram-bahoaka amin’ny zotra rehetra manerana ny Nosy na nasionaly na rezionaly, tanterahin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny GPM. Tanjona ny hampihenana ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe.
Notanterahina isaky ny to­bim-piantsonana teto Anta­nanarivo sy ny manodidina iza­ny mba hahafahana mandrakotra tanteraka ny sehatry ny fitaterana rezionaly sy nasionaly.
Ilaina ny fampahatsiahivana matetika ny lalàn’ny fifamoivoizana mba hanairana ireo mpamily amin’ny fanajana ny asany ihany koa.
Nambaran’ny ATT fa ny tsy fitandreman’ny mpamily no an­tony mahatonga ny tahan’ ny lo­zam-pifamoivoizana ho ambony. Ankoatra izany koa anefa ny tsy fahatomombanan’ny fitaovam-pitaterana sy ny fotodrafitrasa misy.
Notsindriny nandritra ny fa­nen­tanana ny ady amin’ny kolikoly,  indrindra ny fahasahiana mijoro sy mitoroka raha sendra izany.
«Mpamily tompon’andraikitra mpampiasa lalana aho. Arovakony tenako, arovako koa ny hafa». Io no tarigetra napetraka hahatonga saina ireo mpamily.
Miisa 145 ireo mpamily hisitraka mari-pankasitrahana aorian’ny fiofanana.
Efa nisy koa ny hetsika fanentanana natao tamin’ireo sekoly manamorona ny lalam-pirenena teny amin’ny lalam-pirenena faharoa sy fahafito ary izao mitety tobim-piantsonana izao indray.

Tatiana A

Partager sur: