Niorina ny taona 2000, tany La Réunion, ny fikambanana Miaro, mitsinjo ireo taranaka malagasy nonina voalohany tany an-toerana. Nitarina taty Madagasikara ny asa ka sady manampy ny sekoly izy ireo no manohana ny tantsaha koa.
Sahirana amin’ny fahazoan-drano ny mponina eny amin’ny cité akany Sambatra sy ny manodidina rehetra satria tapaka matetika ny ranon’ny Jirama. Ritra koa ny vovo napetraka rehefa tonga ny ririnina. Anisan’ny misedra olana amin’ny rano ny lycée Joseph Ravoahangy Andrianavalona Andranonahoatra ka nitondra vahaolana ny fikambanana Miaro Madagascar, izay manana ny foibeny any La Réunion sy ny fikambanana Lycéens en action. “Efa niara-niasa tamin’ny sekoly eny Itaosy ihany ny fikambanana fa nanitatra izany ho an’ny lycée miankina amin’ny fanjakana”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Randriambololona Tantely Nirina. Nangataka fiaraha-miasa amin’ny lycée (teknika) Paul Moreau ao Bras Panon ny fikambanana Lycéens en action La Réunion hiaraka aminy aty Madagasikara hametraka ny fotodrafitrasa ahazoana rano madio. Mpianatra 12 avy amin’io lycée teknika io no tonga mifarimbona amin’ny asa, hoy ny filohan’ny fikambanana any La Réunion, Stéphane Marty. Nanamboatra vovo vaovao ary nanatsara ny fitaovana fanatazana ny ranon’orana hotehirizina hampiasaina ny fikambanana Miaro Madagascar, miaraka amin’ny “cuve” efatra. Nanome milina mampiakatra ny rano avy ao anaty vovo sy cuve roa ny fikambanana Lycéens en action. Mbola nitondra boky sy rakibolana maromaro hapetraka ao amin’ny trano famakiam-bokin’ny lycée Andranonahoatra ireo mpianatra avy any La Réunion.
Tsy ho sahirana amin’ny rano intsony ny mpianatra 1017 sy ny mpanabe satria manana “cuve” enina sy vovo mamatsy mandavan-taona ka isaorana ny fikambanana roa sy ny lycée avy any La Réunion, hoy ny proviseur-n’ ny lycée Andranonahoatra, Razafindradama Soloarivelo.
Vonjy A.




