Rivodoza: vinavinaina hiseho amin’ny janoary 2024

Nisy atrikasam-pirenena ho fampahalalana ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2023-2024 nataon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro tamin’ity herinandro ity, teny Anosy. Hita ao anatin’ny vinavinan’ny taom-pahavaratra ny tombana mahakasika ny rotsakorana, ny maripana, ny vinan’ny rivodoza anatin’ny fito volana ho avy (oktobra hatramin’ny avrily) ary ny tomban’ny tandindon-doza.
Momba ny rivodoza amin’ity fotoam-pahavaratra ity, vinavinaina hifanakaiky na ho latsaka amin’ny tokony ho izy ny vanim-potoanan’ny rivodoza eto Madagasikara. Isan-taona, manodidina ny efatra ny isany mihaodiaody an’i Madagasikara ary manodidina ny roa no miditra an-tanety. Raha ny fivoaran’ireo fepetra mpamaritra ny vanim-potoanan’ny rivodoza, vinavinaina ho mandritra ny tapany faharoa amin’ny vanim-potoan’ny rivodoza (janoary hatramin’ny avrily) no ahina kokoa hitrangana rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara. Samy mety hisiana rivodoza avokoa na avy ao amin’ny ranomasimbe Indiana na avy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika.
Marihina fa noho ny fiovan’ny toetr’andro, rivodoza mahery vaika iray ihany dia mety hiteraka voka-dratsy goavana. Araka izany, ampirisihina sahady dieny izao ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny vanim-potoan’ny rivodoza fanao isan-taona.
Anisan’ny firenena iharan’ny loza voajanahary hatrany i Madagasikara isan-taona. Tsy ny andavanandron’ny mponina ihany no ahitana taratra ny fiantraikan’izany fa seha-pihariana maro no miankindoha tanteraka amin’ny toetry ny andro: ny fahasalamana, ny fambolena, ny fiompiana, ny fiahiana ara-tsosialy.

Vonjy

Partager sur: