Seces Sampana Antananarivo: manameloka ny fitanilan’ny mpitantana

Mitohy ny tolona satria tsy mbola feno ireo fepetra ahafahan’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra miverina amin’ ny asa fampianarana, araka ny fanambaran’ny biraon’ny Se­ces, sampana Antananari­vo, ta­o­rian’ny fivorian’izy ireo. Ma­na­me­loka ny fanaovana didy jadona sy gaboraraka ary ny fitanilana misy eo amin’ny fitantanana ny anjerimanontolo izy ireo. Neken’ny mpitantana ny oniversite ny fanatanterahana hetsika politika tao anatin’ny faritry ny oniversite nefa nolavina kosa ny fangatahan’ny mpiasa mitaky ny zony toeram-pivoriana talohan’izany. Eo koa ny fandrahonana ireo mpianatry ny anjerimanontolo mitaky ny rariny sy ny zony hianatra.
Manameloka tanteraka ny fiziriziriana hampiasa ireo he­rim-pamoretana, izay nanampatra ny habibiany tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso teny amin’ny faritry ny hopitaly Itaosy, ny alakamisy lasa teo, ka niteraka fa­ha­sem­po­rana tamin’ireo zaza menavava, ireo mpiteraka, ireo marary, ary ireo mpiasan’ ny hopitaly ny sendikà, tao amin’ny fanambarany. Mivory ny Sampana ny alatsinainy ho avy izao handinika ny tohin’ny fitakiana.

Vonjy

Partager sur: