Nisitraka fiofanana momba ny fanjairana salaka azo sasana, niarahana tamin’ny ONG Douleurs Sans Frontières Madagascar, ireo vehivavy voafonja 28 tao Antanimora. Tohin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny tetikasa “Mikolo Aina”, fanohanana ny fandaharanasa Fanarenana ny hetsika. Namatsy vola ny Agence française de développement, ny volana aogositra lasa teo. Manohana ny tetikasa ny minisiteran’ny Fitsarana,
Tanjona ny hanomanana ny fiverenan’ireo vehivavy voafonja eo anivon’ny fiarahamonina. Mbola manovo fahalalana sy misitraka fiofanana koa ireo vehivavy ireo ka afaka mamorana asa mampitombo ny eo am-pelatanany anatin’ny fotoana maharitra. Nomena ny taratasy fanamarinana ny fiofanana izy ireo avy amin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Nitondra fanomezana ho an’ireo vehivavy voafonja sy mitaiza kely ny tenany teny Antanimora. Fanomezana endrika iray hanehoany ny maha reny sy mpiahy ireo vehivavy marefo ary koa hanomezana tosika ho azy ireo hihoitra amin’ny fiainana ka afaka hivelon-tena rehefa tafavoaka ny fonja, hoy ny minisitra tamin’ny lahateniny.
Nanome ireo fitaovana “Rugby French Flair” sy ny “Rugby Club Tanora Soavimasoandro”.
Vonjy




