Fiofanana mifandimby : napetraka ny komity mpitantana

Taorian’ny fandaniana ny didim-panjakana mahakasika ny fiofanana mifandimby eo ambanin’ny sata mifehy ny fianarana, ho an’ny fampianarana teknika sy ny toeram-piofanana arakasa ary ny anjerimanontolo, nivory ireo mpiantsehatra rehetra teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika, ny herinandro lasa teo. Miara-miasa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika, ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, ny GEM, ny Fivmpama, ireo sendikà mpanara-maso ny tanora ary ny INTH, hametraka fomba fiasa mifandraika amin’ny fampiharana ny didim-panjakana.

Hisy mpikambana roa avy amin’ny sampana tsirairay handrafitra ny komity mpitantana, hahafahana mandrindra ireo asa hotanterahina. Ao anatin’izany ny fampiharana ny fanofanana mifandimby, ny fanofanana arakasa andrana amin’ny sehatrasa “pâtisserie traiteur”, ny fampivoarana ny fenitry ny fanofanana mpampianatra, ny torolalana momba ny fandaminana sy ny fampianarana.

Mikendry ny fanatsarana ny lafiny fampianarana sy ny fanofanana arakasa matihanina ny fomba fiasa iombonana, maneho ny fahavononan’ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fampiharana mahomby ny didim-panjakana.

Vonjy

Partager sur: