AFHAM: miaro ny vehivavy manana fahasembanana

Tonga tany amin’ny faritra Fitovinany ny fikambanan’ny olona manana fahasembanana avy ao amin’ny Afham, foibe avy aty Antananarivo, izay notarihin’ny filohany, Razafinjato Ferla, nitsidika ireo olona misitraka ny tetikasa “Zaramira”. Nidina tany amin’ny kaominina Lokomby, Tataho ary Mitanty izy ireo. Nanao fakan-kevitra isam-paritra momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ireo olona manana fahasembanana tany an-toerana izy ireo tamin’izany.
Nanao antso avo ny filohan’ny Afham ny amin’ny tokony hanaovana ho laharam-pahamehana ireo olona manana fahasembanana amin’ny fampisitrahana ireo tohana rehetra mba tsy hisy fanilikilihana.
Mijoro amin’ny fiarovana ny vehivavy manana fahasembanana ny Afham ary manohana ireny fikambanana ireny hahaleo tena ara-pivelomana ny mpikambana ao aminy mba tsy ho vesatry ny ankohonany sy ny fiarahamonina.
Ny minisiteran’ny Fiahiana sosialy kosa no mitady fiaraha-miasa amin’ny Fnuap hanao tan-tsoroka ny fikambanana.

Tatiana A

Partager sur: