Nanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana tao Ambatondrazaka nandritra ny efatr’andro (9 – 13 oktobra 2023 lasa teo) ny ekipan’ny Edugascar izay miara-miasa akaiky amin’ny vondrona Filatex sy ny Enelec.
Dokotera 19 mianadahy no tonga tany an-toerana nanao fizaham-pahasalamana ho an’ireo vahoaka sahirana. Teo ireo nanana olana momba ny maso, teo koa ireo sima ka voatery tsy maintsy nandalo fandidiana ary ireo manana olana momba ny ativava. Nampianarina koa ireo olona mba hahay hikojakoja ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava. Mahatratra 3 300 ireo ankizy raisin’ny Edugascar izay tohanan’ny vondrona Filatex sy ny Enelec. Nisy ny fizarana solomaso 141 ho an’ireo olona manana olana amin’ny maso kanefa tsy manana fahafahana hiatrehana izany. Nohamafisin’ny vondrona Filatex fa manome tohana ho an’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fitsinjovana manokana ireo ankizy any amin’ny sekolim-panjakana (EPP) hatrany izy ireo. Misy, araka izany, ny fanomezana vatsim-pianarana manokana ho an’ireo mpianatra mendrika. Eo koa ny fanomezana fampiofanana ireo mpampianatra amin’ny alalan’ny lafiny ara-pedagojia. Ny tanora rahateo no hoavin’ny firenena rahampitso ka antony mahatonga ny vondrona Filatex manome tohana ny lafiny fampianarana, araka ny fanazavana.
Jean Claude




