Fotoam-pahavaratra : ahina ny haintany any atsimo, tondradrano any avaratra

Hifanipaka tanteraka ny mety ho fitrangan’ny toetr’andro ho an’ny tapany atsimo sy avaratry ny Nosy amin’ity fotoam-pahavaratra ity. Ahina ny haintany any atsimo, ary mampanahy ny tondradrano any avaratra.

Ny tranga El Nino no mamaritra ny toetry ny andro amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny famantarana ny toetry ny andro, i Nirivololona Raolijao. Ahina ny haintany, araka izany, noho ny tsy fahampian’ ny rotsakorana mane­rana ny Nosy.
Mampanahy izany ho an’ ny faritra Atsimo Andre­fana, Menabe, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana ho an’ny volana desambra sy janoary ary febroary. Mila miomana amin’izany dieny izao ireo mponina any amin’ireo toerana ireo.
Ho maina tanteraka ny andro, toy ny tranga nisy tamin’ny taona 2013 sy 2016 izay niteraka haintany nivaivavy tany amin’ny tapany atsimon’ ny Nosy manontolo.
Any amin’ny fotoana fifaranan’ny fahavaratra dia hiakatra kely raha oharina amin’ny tokony ho izy ny maripana ho an’ny faritra Analanjirofo, Alaotra Mangoro sy Atsimo Andrefana, Atsina­nana, An­osy, Androy ary ny tapany atsinanan’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany.
Mandritra ny fahavaratra, ny volana desambra hatramin’ny volana febroary, tsy ho ampy raha oharina amin’ny tokony ho izy ny rotsakorana any avaratry ny faritra Atsimo Andrefana, Matsiatra Am­bony, Ihorobe, Atsimo Atsina­nana ary Anosy.
Ny volana oktobra sy novambra dia ho latsaka kely ny tahan’ny rotsakorana any Diana sy Sofia…
Ho an’ny volana janoary kosa indray dia ahina ny tondradrano noho ny habetsahan’ny rotsakorana any amin’ny faritra Diana, Sava, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Man­goro, Analamanga, Atsina­nana, Itasy ary Vakinan­karatra.

Tatiana A

Partager sur: