Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ao Ihosy ny QG “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” izay ahitana ny Upar, IFI, CS-ANR, AFF, T2MI, RPR, FIZAFAFI, TMH, FREEDOM sy ireo vondrona antoko hafa. Tanjona amin’izany ny fampandaniana ny laharana fahatelo amin’ny fifidianana izay hatao ny 16 novambra 2023 ho avy izao. Vahoaka maro no tonga nanotrona ny hetsika rehetra natao tamin’izany. Diabe nitety tanàna no nentina nanamarihana ny fisokafan’ity QG ao Ihosy ity. Niray feo ny rehetra tamin’ izany fa hanao ny fomba rehetra hampandany ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Naneho fahavonana avokoa ireo mpikatroka politika rehetra hampandany ny loko volomboasary. Anisan’ ireo Faritra tsy diso anjara tamin’ny fampandrosoana nentin’ny kandidà Rajoelina rahateo ny faritra Ihorombe. Nanamafy rahateo koa ireo mpikatroka politika miaraka amin’ny TGV fa vonona ny hiara-dalana sy hanohy ny fampandrosoana efa vitan’ny filoha Rajoelina. Betsaka ny asa mbola hotanterahina sy ho vitaina ao anatin’ny dimy taona manaraka, araka ny fanazavan’izy ireo.
Jean Claude




