Fampianarana teknika : nankatoavina ny fiofanana omen’ny SAYNA

Ahafahan’ny rehetra, in­drindra ny tanora, misitraka fanabeazana niomerika ampitain-davitra, hiara-hiasa indray ny Orange Madagascar sy ny Sayna efa matihanina amin’ny fanofanana niomerika sy asa mifandraika amin’izany. Na­tokana hamaly ny tsenan’ny asa ny fiofanana vaovao dimy amin’ny sarany zakan’ny tanora ary miaraka amin’ny mpampianatra matihanina iraisam-pirenena. « Vinavinaina hahasarika tanora hatramin’ny 30 000 isam-bolana ny tolotra vaovao ary hampiakatra 55 000 ny isan’ny olona mpikirakira ny Sayna Hub », hoy ny fanazavan’ny mpitantana ny Sayna, Razafimahefa Matina.
Nahazo fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa amin’ny lenta « ouvrier professionnel » ny mari-piofanana omen’ny Say­na. Eo am-pikarakarana ny fankatoavana ho an’ny «Bre­vet de technicien supérieur » (BTS) ny roa tonta, amin’izao fotoana izao. Sehatra miroborobo amin’izao fotoana izao eo amin’ny tsenan’ny asa ny teknolojia vaovao sy ny haitao ara-kajy mirindra.
Hosantarina ny 25 novambra ho avy izao ireo tolotra fanofanana niomerika vaovao dimy ireo manerana ny Nosy. Tsy eto Madagasikara ihany fa misehatra aty Afrika ny Sayna natsangan’ny tovovavy malagasy. Anarivony ny tanora nisafidy ny fiofanana miaraka amin’izy ireo ary tsy vitsy koa ny orinasa miara-miasa aminy eto an-toerana sy any ivelany amin’ny sehatra niomerika.

Vonjy

Partager sur: