VANIM-POTOANA MAFANA : mila mailo amin’ny fihinanana hazandranomasina

Fotoana hifantenana tsara ny karazana handranomasina hohanina ny vanim-potoana mafana toy izao. Mahafaty ny sasany amin’izy ireny ka mila mailo.

Notanterahina tamina toerana maromaro ny atrikasa mahakasika ny fanentanana sy fandraisana an-tanana ara-pahasalamana vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo avy amin’ny fihinanana hazandranomasina.
Nisitraka izany ireo mpiasan’ny fahasalamana tany Mananjary sy Nosy Varika ary ireo CSB manamorona ny ranomasimbe Indianina ao amin’ny faritra Vatovavy.
Fampahatsiahivana ireo karazana hazandrano tokony hofadiana mandritra ny vanim-potoana mafana izay mitera-doza ho an’ny fahasalamana no natao. Teo koa ny karazana fanentanana ny mponina, ny mpanjono sy ireo mpivarotra hazandrano amin’ny hanavahana tsara ireo karazany tokony hohanina.
Niarahana tamin’ny ekipan’ny fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny fahasalamana, ny Dcamum ary ny Acsqda ny atrikasa.
Tranga fahita matetika amin’izao fiovaovan’ny toetr’andro izao ny fahapoizinana ara-tsakafo avy amin’ny hazandranomasina ka izany indrindra no anton’ny fanentanana.
Efa voarakitra amin’ny petadrindrina any amin’ireo faritra maro ireo karazana hazandranomasina manapoizina rehefa hohanina mandritra ny andro mafana noho ny fihinanan’izy ireny lomotra misy poizina. Anisan’izany ny karazana Atsantsa, ny Ama­lombato, Amboramasaka, Ge­ba, Henjy…
Misy ihany koa ireo hazandrano manapoizina mandritra ny fotoana fanatodizany dia ny karazana botala rehetra toy ny voalavorano…Ireo hazandranomasina manindrona ka misy poizina toy ny Makoba, Fiandambo, Fian’akoho…
Fa ao indrindra koa ireo hazandranomasina tsy azo hohanina mihitsy mandavantaona satria misy poizina dia ny fano na ny sokadranomasina, Fia somotra, Fia mainty….

Tatiana A

Partager sur: