Mois : octobre 2023

Nosy Boraha : maherin’ny 25 000 ny mpizahatany tonga

Mahavelombolo ny mpiantsehatra eo amin’ny sehatry ny fizahantany ao Ste Marie ny vokatra azo tamin’ity taona ity. Ankehitriny, mihoatra ny isan’ny mpizahatany tamin’ny 2019 ireo mpitsidika tonga any an-toerana. Manomboka mahazo ny ovam-pivoarana (dy­na­misme) toy ny tamin’ny taona 2019 mialohan’ny krizin’ny Covid-19 ny sehatry ny fizahantany ao amin’ny Nosy Boraha […]

Sarintsarina fakana an-keriny : mpanampy vavy sy lehilahy iray voasambotra

Voasambotry ny zandary ny vehivavy sy lehilahy iray, niray tsikombakomba tao Antsirabe tampon-tanàna, ny 13 oktobra teo. Nirahan’ny mpampiasa azy hanatitra entana tany Anjoma Ramar­tina io vehivavy io, ny 11 oktobra teo. Tsy niverina intsony anefa io mpiasa vavy io ary tsy tratra antso. Roa andro taorian’io, tratra antso tampoka ary nilaza fa nalain’ny […]

Talen-tsekoly novonoina : notsatotsatohana antsy tamin’ny lohany

Efa tsy nisy aina intsony no hitan’ny fokonolona manamorona  ny lalam-pirenena fahefatra ny “proviseur” an’ny lisea iray anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny zoma 13 oktobra teo. Nahitana tsatok’antsy ma­romaro ny vatany. Tsindron’antsy miisa enina sy daroka tamin’ny loha no namonoan’ny olon-tsy fantatra ny “proviseur”  iray tao Ankarefo, fokontany Ambohi­miadana, kaominina Ampano­tokana, distrika  Ambohidratri­mo, ny […]