Mois : octobre 2023

INDRAY MIJERY

An’arivony ireo olona nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana teny anivon’ny hopitalim-panjakana manerana ny Nosy, nandritra ny telo andro ni­sesy. Nisy ny fandidiana tsotra toy ny hernie sy ny sima, fizahana ny goatra, taovam-pisefoana, vavony sy tsinay… teo koa ny fanarenana ara-batana amin’ny alalan’ny otra. Hanatanteraka fihaonambe ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka […]

Mahajanga: mpianatra 25 mianadahy voafantina handalina ny teny anglisy

Mpianatra 25 mianadahy avy ao Mahajanga no voafantina handray anjara amin’ny fandaharam-pianarana “English Access Microscolar­ship”. Notanterahina tao amin’ ny Lycée Philibert Tsiranana ny fizarana mari-pankasitrahana mifanaraka amin’izany, ny faran’ny herinandro teo. Maharitra roa taona ny fandaharam-pianarana izay tohanan’ny masoivoho Ameri­ka­nina ary tantanin’ny Saint Gabriel Mizara. Mampitombo ny fifankafantarana sy fifanakalozana kolontsaina […]

Andron’ny zokiolona: miohatra ny 60 taona ny 4,5% amin’ny Malagasy

Andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona, omaly. Nitondra hafatra ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Soafilira Princia. Nambarany ta­min’izany ny hanomezan-danja ireo ray aman-dreny sy zokiolona. «Misokatra eo anivon’ny sokajin’olona samihafa ho fandavorariana sy fampiatiana ara-tsosialy sy ara-toekarena», io no lohahevitry ny fanamarihana ny […]

Fakana an-kery mateti-pitranga: mampiaka-peo ireo manana toe-tena “varira”

Nanao antso avo ny fikambanana ivondronan’ireo olona manana toe-tena varira. Nitafa tamin’ny mpanao gazety, nanao fanambarana izy ireo, afakomaly Mitaintaina sy mandry an-driran’antsy, ary ma­hatsiaro tena ho tsy misy mpiahy ireo olona manana toe-tena varira manoloana ny trangana fakana an-keriny niseho tato ho ato. “Ankilabao ny olona manana toe-tena varira satria […]

11 nalaina an-keriny: jiolahy telo rotiky ny balan’ny zandary

Maty tsy tra-drano ny da­halo mpaka an-keriny telo lahy. Tanàna telo samihafa anatin’ny distrikan’Anjozo­ro­be, no nisehoan’izany. Hetsi­ka nataon’ny zandarimaria ny zoma sy sabotsy lasa teo. Efa ikoizana amin’io asa ratsy io izy ireo ka nahatonga ny ha­zalambo. Tompon’antoka ta­min’ny fanatontosana trangana fakana an-keriny tao amin’ ny kaominina Amparatanjona sy tao […]