Nidina an-dalambe nanentana ny rehetra hampaneno sarom-bilany sy kiririoka ny Hetsiky ny firaisamonim-pirenena, omaly tamin’ny 12 ora atoandro, teto an-drenivohitra. Nambaran’izy ireo fa fanehoana antso sy taraina izany. Hitohy etsy Antsonjombe indray ny hetsiky ny kandidà 10, anio. Tsy hisy ny diabe tahaka ny mahazatra fa hifamotoana avy hatrany eny […]
Mois : octobre 2023
Baomba be !
Nilatsaka ny vaovao efa nampoizina, omaly! Vaovao baomba be! Voatendry ho filoham-panjakana mpisolo toerana ny jeneraly Ravalomanana Richard. Tsy nahataitra ho an’ny efa mpamaky raharaha politika. Tohin’ny lojika amin’ny kajikajin’ny mpiantsehatra hatrany am-boalohany izany raha vao nanomboka niely ny feo fa hirotsaka ho kandidà ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry. […]
Fanapahan’ny HCC : filoham-panjakana vonjimaika Ravalomanana Richard
Navoakan’ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly, ny fanapahana amin’ny maha filoham-panjakana vonjimaika ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nilatsaka ny fanapahana avy etsy Ambohidahy momba ny fitantanana ny firenena ka nametrahana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ho filoham-panjakana mpisolo toerana. Hisahana izany andraikitra […]
Halatra omby: dahalo raindahiny maty voatifitra
Tratra taorian’ny hazalambo nataon’ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Amboanjo, kaominina Manaratsandry, distrikan’i Mitsinjo, ny 24 oktobra teo. Nanafika tao amin’ny tanànan’Analamamy ireo olon-dratsy tamin’ny 22 oktobra. Roa lahy no tompon’antoka. Voaroba ny omby miisa efatra. Raikitra ny fanarahan-dia. Naharay loharanom-baovao ny zandary fa mihaodihaody ao amin’ny […]
Tselatra
Naratra mafy ny mpitondra bisikileta iray nofaohin’ny fiara 4×4 teny Ampitatafika, omaly maraina. Tao anatin’ny fotoana fandehanan’ireo fiara ho famahana ny fitohanan’ny fiara niainga avy any Ampitatafika mivoaka ny tetezan’Anosizato no nitranga ny loza. Nirimorimo nandeha mafy ireo fiara ka voafaoka ilay mpandeha bisikileta. Potika ny bisikileta raha nentina […]




