Mois : octobre 2023

Mpamonjy voina : manentana ny mponina hisoroka ny loza

Nahitana trangana firehetana misesisesy tato anatin’ny fari-piadidian’ny Tanànan’An­ta­nanarivo Renivohitra tato ho ato. Anisan’izany, ny tetsy Mahamasina, Behoririka… vao tamin’ity herinandro ity avokoa. Manoloana izany, manao antso avo amin’ny mponin’Antananarivo, isam-batan’olona, isan-tokantrano, isaky ny toeram-piasana ny Vondron’ny sampana mpamonjy voina. Anisan’izany ny handraisana fepetra tandrify ny tsirairay amin’ny fisorohana ny loza […]

Vita ny roa volana voalohany: “Tsapa fa ambany ny fari-pahaizan’ny mpianatra”

Anatin’ny fanadinana fitsapana voalohany amin’ny taom-pianarana ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Ambany ny fari-pahaizan’ny ankizy hoy ny tomban’ny mpanabe. Hifarana anio ny roa volana voalohany amin’ny taom-pianarana 2023-2024 fa hiditra amin’ny fiatoana herinandro ny mpianatra sy ny mpanabe. Nisy ny fanadinana hitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra tamin’ity herinandro ity. Amin’ny ankapobeny, […]

SOMBIM-BAOVAO

Hankalazaina rahampitso sabotsy 27 oktobra izao ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Judo. Tsy diso anjara amin’izany fankalazana izany i Mada­gasikara ka hisy ny hetsika hanamarihana izany etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Hisy ny fampivondronana ireo Malagasy Judokas amin’ny sokajy rehetra amin’io fotoana io. « Karate Analamanga ». Hatao ny 4 novambra izao ny […]

Tompondaka Nasionaly an-tsekoly : hifantenana mpilalao hiatrika fifaninanana

Hanomboka ny sabotsy 28 oktobra hatramin’ny alakamisy 2 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly an-tsekoly, eo amin’ny taranja baolina kitra. Tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny Kaon­federasiona Afrikanina ny baolina kitra “African Schools Championship” izy ity, iaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Sekoly avy amin’ny DREN miisa […]

Basikety N1A: hiditra amin’ny ampahefa-dalana anio

Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana anio, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, taranja basikety. Fifaninanana tontosaina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Eo amin’ny sokajy vehivavy, lalao ampahefa-dalana voalohany, ny fifanandrinana eo amin’ny MB2All Analamanga sy ny Serasera Vakinankaratra. Hitohy amin’ny fifandonan’ny TGBC Betsiboka sy ny Fandrasa Matsiatra Ambony izany. Hihaona aorian’izay […]