Manohana ny tanora amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika ny orinasa Airtel Madagasikara. Anisan’izany ny fiaraha-miasany amin’ny Oniversite Fianarantsoa. Natao sonia omaly, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Madagasikara sy ny sekoly ambony Emit any amin’ ny oniversite Fianarantsoa. Fiaraha-miombon’antoka mifantoka amin’ny fanohanana ny tanora mpianatra momba ny fikarohana amin’ny teknolojia niomerika. […]
Mois : novembre 2023
SOMBIM-BAOVAO
Hiatrika ny « Grand Slam de Tokyo », taranja Judo, any Japon, Rasoanaivo Razafy Laura, ny fiandohan’ ity volana desambra ity, tafiditra anatin’ny fanomanana ny « JO 2024 », atao any Paris. Efa nanainga teto an-tanindrazana izy ny talata teo. Ankoatra ny fifaninanana, hisy ihany koa ny fanazaran-tena iraisam-pirenena hatrehiny, hatramin’ny 16 desambra izao. […]
Karate-Mada 2023 : mpikatroka 250 hifaninana any Toamasina
Fandaharam-potoana farany amin’ity taona 2023 ity, eto an-toerana, ho an’ny taranja karate, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, kata sy kumite, amin’ny sokajy rehetra. Fifaninanana hotontosaina any Toamasina, manomboka anio 30 novambra hatramin’ny 2 desambra izao. Mpikatroka manodidina ny 250, avy amin’ny ligy 18 no ho avy any an-toeana, mandritra […]
kitra – Antananarivo : ny sabotsy ho avy izao ny fifaninanana
Hotanterahina eny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao navoakan’ny ligin’Analamanga, mpikarakara ny fifaninanana, dia hisy lalao enina eo eny an-toerana amin’ity faran’ny herinandro ity. Hanokatra izany ny fihaonana eo amin’ny Cosfa sy ny US […]
Tsipy kanetibe : nosazian’ny Federasiona iraisam-pirenena i Amiroudine
Natsahatry ny Federasiona iraisam-pirenen’ny tsipy kanetibe, amin’ny asa maha filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM) azy, Andrialemirovason Amiroudine. Tsy misy mpitantana aloha izany ny tsipy kanetibe malagasy. Ny sabotsy 25 novambra lasa teo, nandefa taratasy fampahafantarana tamin’ny Federasiona sport-boule malagasy (FSBM), i Claude Azema, filohan’ny Federasiona iraisam-pirenena (FIPJP), fa voasazy ary […]




