Mois : novembre 2023

Vokatry ny VIH/ Sida : olona iray isa-minitra no maty maneran-tany

Ilaina ny fampiharana sy ny fanatsarana ny lalàna, lany ny taona 2005, momba ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida, ahafahan’izy ireo misitraka ny fitsaboana sahaza azy. Olona iray isa-minitra no mamoy ny ainy noho ny Sida, maneran-tany, araka ny voalazan’ny sekre­tera jeneralin’ny Firenena mikambana, Antonio […]

Kandidà Andry Rajoelina : “Fandresen’ny vahoaka malagasy ny fandreseko”

Naneho hevitra tao amin’ ny pejy “Twitter” ny kandidà Andry Rajoelina, omaly, ary nanamafy ny efa nambarany tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika, navoakan’ny Ceni, farany teo. Nambarany tamin’ izany fa tompon’ny fahefana ny vahoaka. “Noporofoinareo izany satria zava-dehibe loatra ny fanajana ny safidin’ny tsirairay. Fandresen’ny vahoaka malagasy tsivakivolo ny fandresena azoko”, hoy […]

Nguiegang Ntchassep Cyrille: « Fifampiresahan’ny samy Malagasy no vahaolana »

Naneho ny heviny mahakasika ny toe-draharaha misy eto Madagasikara ankehitriny i Nguiegang Ntchassep Cyrille, avy any Caméroun, lehiben’ny iraka fanaraha-maso ny fifidianana, avy amin’ny Union-jeunesse de la communauté économique et monétaire de l’Afrique Centrale (UJ- CEMAC). Araka ny nambarany, tsy tokony hitsabaka amin’ny raharahan’ny Afrikanina ny Eoro­pea­nina sy ny Amerikanina […]

Fiketrehana fanakorontanana : handray fepetra hentitra ny Emmo/Nat

Nanao fanambarana ireo lehiben’ny Emmo/Nat amin’izao hiatrehana ny famoahana ny voka-pifidianana izao. Tsy hanaiky ny mety ho fanakorontanana ny mpitandro filaminana. Nambaran’ny lefitry ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo tafika misa­hana ny hetsika ara-miaramila, ny Jly Andrianasimanana William, omaly, fa tsy azo ekena ny endrika fanakorontanana amin’izao hamoahan’ny HCC ny vokam-pifidianana izao. “Fotoana […]

HCC: 15 ny fitarainana voaray

15 ny antontan-taratasin’ ady voaray fa avy amin’ny kan­didà roa sy ny mpanohana azy: ny lah. 3 Rajoelina Andry sy ny lah. 13 Randrianasolo­niaiko Siteny, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Ranesa Firiana, teny Ambohi­dahy, omaly, momba ny voka-pifidianana. Fito andro ny voalazan’ny lalàna tokony […]