Niofana nandritra ny hateloana, tany Taolagnaro, ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo 27 hisahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (GRC) manerana ny Nosy, ny herinandro lasa teo. Hamafisina ny asa ho an’ny faritra hisehoan’ny loza matetika ka nametraka sahanasa fanentanana mialoha sy aorian’ny fiavian’ny loza ireo tanora miaraka amin’ny BNGRC. […]
Mois : novembre 2023
Tsy fandriampahalemana : raikitra ny « Opération Lamina » ao Toamasina
Hanatanteraka hetsika manokana « Opération Lamina » ny eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Atsinanana eo ambany fiadidian’ny Kly Ranaivoarisoa Théodule amin’izao ankatoky ny fiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona 2023 izao. Eo koa ny paikady entina handaminana ny fandriampahalemana sy ho fiatrehana ny aorian’ny fifidianana filoham-pirenena toy izao. Nomena ny anarana « Opération Lamina » […]
INDRAY MIJERY
Nanatrika ny fivoriambe faha-12-n’ ny filankevitry ny fiangonana afrikanina rehetra natao tao Abuja Nigeria, ny mpitandrina Andriamihafa Lanto Chantal sy Rakotomamonjy Helisoa Miora Fanantenana, Mpanazava avy ao amin’ny Faritany Analamanga Avaratra. Nandinihana lohavevitra 12 ny fihaonana. Saro-pady ny fampiasana fanafody ka manentana ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’ny fanarahana tsara ny toromariky […]
Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro : tetikasa 26 novatsin’ny Frantsay 750 000 euros
Natomboka ny herinandro teo ny tetikasa 26 nentin’ireo fikambanana avy amin’ny firaisamonim-pirenena malagasy hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nahazo tohana ara-bola avy amin’ny masoivohon’i Frantsa, mitentina 750 000 euros izy ireo. Nahazo fiofanana ireo fikambanana ireo nandritra ny herinandro manontolo. Misy ny fanamafisana ny tambajotra iraisana sy ny fifampizarana fahaiza-manao mialohan’ny […]
rivotra maloto : maro ny ankizy sempotra sy misohika
Ankoatra ny gripa miparitaka, mamely ny ankizy ihany koa ny aretina sohika. Fotoana mampihetsika indrindra ny aretina izao raha ny fanazavan’ny dokotera. Maina tanteraka ny rivotra sady maloto ka mampihetsika ny aretina. Eo koa ny fotoana mampamelana ny voninkazo ka mampiparitaka ny vovobony izay betsaka no tsy mahazaka azy. Manginy […]




