SOMBIM-BAOVAO

Hatao anio 11 sy rahampitso 12 novambra, any amin’ny ligin’Atsinanana, ny fifaninanana basikety “Game on 3×3”. Basikety lalaovin’olona telo, karakarain’ny Federasiona malagasin’ny basikety, hiarahana miasa amin’ny ligin’Atsinanana sy ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina.

Volley-ball. Mikarakara fifaninanana ho an’ny mpilalao ity taranja ity, ny eo anivon’ny ligin’Anala­man­ga. Fifaninanana “passe de précision” izany, izay hatao indrindra ho fampiakarana ny lentan’ny mpilalao, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ara-teknika. Ny 25 novambra izao no hanatanterahina azy ary natokana ho an’ny mpilalao “licenciés”.

Taorian-dRakotovazaha Allan, mpiandry harato, nantsoina hanatevina ny Barea de Madaga­sikara i Tony, vodilaharana. Miverina ho enina indray, araka izany, ny mpilalao avy eto an-toerana mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Anisan’izany, ry Tsiry kely, Dadafara, Tony, Lalaina, Tendry, Rado.

Notanterahina ny alakamisy lasa teo, ny fihaonana teo amin’ny Toulouse FC France sy ny Liver­pool FC Angleterre amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Europa League 2024”. Lavon’ny Toulouse tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Liverpool. Marihina fa mitana ny laharana voalohany amin’ny vondrona “E” misy azy ireo ihany ny Liverpool.

Partager sur: