TSELATRA

Olona iray voatsindry tao ambany kamiao tetsy Ambohimangakely, omaly. Nivadika tampoka io fiara nitondra entana io. Olona telo no nitaingina io ka­miao io ka tavela tao ambanin’ny fiara ny iray. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ity farany.
Olona iray maty voatsindrin’ny taksiborosy Sprinter, raha 25 ireo naratra tamin’ilay lozam-piarakodia teny amin’ny RN 4, afakomaly tolakandro. Taksi­borosy mampitohy ny kaominina Berivotra sy Maeva­tanana ity niharan-doza ity. Vokatry ny fahavakisan’ny kodiaran’ny fiara no nahatonga ny loza. Mpamily mpanampy ity voatsindrin’ny fiara ity
Omby roa nangalarin’ny jiolahy ka notetehiny ary nariany teny an-dalana ny taolany tao Ambohi­manarina Ambatolampy Tsimahafotsy, afakomaly. Nalain’ireo olon-dratsy avokoa ny nofon-kena tamin’ireo omby roa. Nitsoaka nandositra ireo nahavanon-doza.
Nosamborin’ny polisy ilay vazaha namono ny sakaizany tao amin’ny fokontany Ampandrozonana, Sambava, afakomaly alina. Nisy nahazo sary ny fi­hetsika niaro herisetra nataon’io vazaha lahy io ilay vehivavy. Nandamina ny raharaha ny mpitandro filaminana.

Partager sur: