INDRAY MIJERY

Mitohy mandritra ny 15 andro ny fanadiovana ireo lakandrano eny anivon’ny fokontany, voakasiky ny tetikasa Himo. Natomboka teny amin’ny fokontany An­dra­voa­hangy tsena izany tamin’ity herinandro ity. Entanina hatrany ny mponina hanary ireo fako eny amin’ny toerana voatokana amin’izany.
Ny Antenimieran’ny tanora mampiasa sy miteny frantsay dia miantso ny tanora amin’ny fiatrehana ny Parlement Francophone des Jeunes (PFJ), andiany fahafolo hatao any Montréal (Canada). Tanora vavy iray sy tanora lahy iray, 18 hatramin’ny 25 taona izay anaty fikambanana tanora ary mbola tsy nandray anjara ta­min’ny PFJ no afaka mandray anjara. Ny 4 hatramin’ny 9 jolay 2024 izao no hanatanterahana ny fihaonana.
Nanao fanamarihana ny Polyclinique Ilafy fa misy olona sasantsasany minia manaratsy ny Polyclinique D’Ilafy. Miantso ny rehetra ho mailo ny tomponandraikitra manoloana izany teti-dratsy izany. Ny Polyclinique d’Ilafy – Alhambra – Behoririka dia mangarahara tanteraka eo amin’ny fomba fiasa.

Partager sur: