FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola nisy taham-pahavitrihana ambany tahaka izao, araka ny tatitry ny mpanara-maso ny fifidianana, Safidy. Voalohany tamin’ny tantaran’ny fifidianana koa no nisy fanemorana herinandro. Na izany aza, tsy nisy tranga nanahirana fa teo kosa ny tsy fahatomombanana madinidinika.

Hivoaka ny 30 novambra izao ny voka-pifidianana ofisialy, araka ny fanambarana navoakan’ny HCC, ny faran’ny herinandro teo. Efa ao anatin’ny fandraisana ireo voka-pifidianana vonjimaika avy eny anivon’ny Ceni ny etsy Ambohidahy amin’izao.

Nisafidy ny hangina manoloana ny ambarany ho fitsikerana azy ny filohan’ny HCC, Rako­toarisoa Florent. Nohitsiny fa hamaly ireo milaza ho mahay lalàna ny tenany saingy mbola noho ny fitoniana ilaina aloha no tsy mbola namaliany izany.

Naneho fiaraha-miory ary miondrika am-panajana manoloana ny nahalasanan’i Ninie Donia ny filoha teo aloha, Ravalomanana sy ny antoko Tim, araka ny fanambarany, omaly. Nankahery ny fianakaviany sy ny any Diana ny tenany.

Partager sur: