Fikasana hanongam-panjakana : hotsaraina amin’ny 16 janoary ireo kolonely roa

Hiandry ny fitsarana azy amin’ny herintaona. Notsiahi­vin’ity tomponandraikitra eo anivon’ny fitsarana ity fa nentina tetsy amin’ny fampanoavana Anosy, afakomaly, izy roa lahy ireo noho ny fiampangana amin’ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy ny fanakorontanana mialoha iny fifidianana filoham-pirenena iny. “Eo koa ny fitarihana hitarika andiana miaramila hikomy”, hoy ihany ny Tonia mpampanoa lalàna. Nanteriny anefa fa voatondron’ny fehezan-dalàna fa­maizana izany. Efa niaiky izany fikasany izany ireo manamboninahitra roa ireo tamin’ny voalohany, araka ny nambarany. Nolaviny indray anefa izany rehefa natao famotorana teo amin’ny mpitsara mpampanoa. “Naidi­­tra am-ponja vonjimaika noho izany izy ireo mba ahitana ny marina mandra-piandry ny fotoam-pitsarana amin’ny 16 janoary amin’ny taona ho avy”, hoy ihany izy.
Manamboninahitra arahi-maso…

Tsiahivina fa efa niely be ny feo nialoha ny fifidianana fa misy manamboninahitra arahi-maso akaiky, ahina ho mikotrika fanakorontanana sy fanonganam-panjakana. Teo koa ny fielezan’ny vaovao tanaty tambajotra sosialy momba ireo manamboninahitra nohadihadina teo antenantenan’ity volana ity.
Manampy izany ireo manamboninahitra ambony arahi-maso na atoka-monina aloha amin’izao fotoana izao.
Araka izany, andrasana ny fiakaran’ity raharaha ity eny amin’ny fitsarana.

Synèse R.

Partager sur: