Fikaonandoham-pirenena: hitondra lohahevitra miisa 12 ny FFKM

Efa eo amin’ny fanofanana ireo mpanamora ny adihevitra amin’ny fikaonandoha ireo komity mandrindra izany amin’izao fotoana izao. Nivoaka ihany koa ireo lohahevitra miisa 12 amin’ny dinika iarahana amin’ny FFKM.

Anisan’ny lohahevitra hodinihin’ireo mpizaika ny andry fototra. Ani­san’ ny ao anatin’izany ny fitan­tanan-draharaha sy ny rafi-pitantanana. Ny fampiasana sy ny fahazoana ireo zo fototra. Manampy izany ny toekarena sy ny fampandrosoana maharitra. Eo koa ny fitsarana sy ny fandriampahalemana ary ny fanjakana tan-dalàna.
Lohahevitra faharoa, momba ny fiarahamonina sy ny fanjakana. Anisan’izany ny fiarahamonina miray hina sy mifanampy, ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Eo koa ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny faritry ny fire­nena. Ao anatin’io lohahevitra io koa ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fiandrianam-pirenena.

14 septambra ny eny amin’ny fokontany

Ho an’ny lohahevitra ma­naraka, ny rafitra sy ny fiantraikany. Tafiditra ao anatin’ izany ny fitsinjaram-pahefana sy ny harena eo an-toerana, ny ankizy sy ny tanora ary ireo marefo. Eo koa ny fandikana ireo tapaka ho lalàna ary ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha sy ny fitantanam-bola.
Tsiahivina fa hanomboka ny 14 septambra ny dinika amin’ny fikaonandoha ka hisantatra izany ny eny anivon’ny fokontany. Ny 5 oktobra kosa ny eny amin’ny kaomi­nina, raha ny 26 oktobra ny eo amin’ny distrika. Hitohy ny 16 novambra izany ho an’ny Fa­ritra ary amin’ny taona ho avy ny fikaonandoham-pire­nena.

Synèse R.

Partager sur: