Nguiegang Ntchassep Cyrille: « Fifampiresahan’ny samy Malagasy no vahaolana »

Naneho ny heviny mahakasika ny toe-draharaha misy eto Madagasikara ankehitriny i Nguiegang Ntchassep Cyrille, avy any Caméroun, lehiben’ny iraka fanaraha-maso ny fifidianana, avy amin’ny Union-jeunesse de la communauté économique et monétaire de l’Afrique Centrale (UJ- CEMAC). Araka ny nambarany, tsy tokony hitsabaka amin’ny raharahan’ny Afrikanina ny Eoro­pea­nina sy ny Amerikanina fa ny Afrikanina ihany no vahaolana amin’ny olana misy ao aminy.
Firenena mahaleotena sy manana ny fiandrianany i Madagasikara. “Fantatra tamin’ny maha vahoaka tia filaminana sy fandriampahalemana ny Malagasy. Izany indrindra no tokony hiresahan’ny Mala­gasy samy Malagasy, ary raha tsy maintsy hiditra an-tsehatra ny vahiny dia ny Afrikanina ihany no tokony hiditra amin’ izany”, hoy ity lehiben’ny iraka fanaraha-maso ny fifidianana avy amin’ny UJ-CEMAC ity.
Notsindriny tamin’izany fa tsy manaiky ny hidiran’ny Afri­kanina, na oviana na oviana, amin’ny raharaham-pifidia­nany ireo firenena vahiny ireo, indrindra ny Eoropeanina. Araka ny nambarany, mihoatra ny 60 taona nahazoana ny fahaleovantena ny ankamaroan’ny firenena Afrikanina ka efa mahalala ny filany avy.

Lin

Partager sur: