Nisy nanafika ny fianakaviana iray monina eny Amborompotsy Talatamaty, omaly maraina. Lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny volabe mitentina 6 000 000 Ar sy ny firavaka maromaro, ary finday. Tokony ho tamin’ny 8 ora maraina no nitrangan’izany, saingy efa ora roa taty aoriana vao nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana, izay tsy lavitra eo. […]
Mois : novembre 2023
TSELATRA
Mpitondra moto iray naratra vokatry ny fifandonana tamina fiara tetsy By-pass, omaly. Nipoitra tampoka nanapaka ny lalan’io kodiaran-droa io ilay fiara. Nitsambikina niala izany ilay mpitondra moto. Nandamina ny raharaha ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Zaza menavava hitan’ny fokonolona nisy nanary tetsy Androndrakely, boriborintany faharoa, afakomaly. Nihohoka tamin’ny tany ary […]
Tratran’ny vela-pandrika : zandary roa maratra, jiolahy maty voatifitra
Zandary roa naratra, vokatry ny fianjerana tamin’ny moto teny Anjanadoria, Ambohidratrimo. Tafiditra tamin’ny fandrika nataon’ny jiolahy izy ireo. Iray tamin’ireto farany kosa maty voatifitra. Naratra vokatry ny fianjerana tamin’ny moto ny kaomandin’ny brigadin’ Ambohidratrimo sy ny mpiara-miasa aminy iray, afakomaly maraina. Tafiditra tanatin’ny vela-pandrika nataon’ny jiolahy mpaka an-keriny izy ireo, […]




