Misaona ny tontolon’ny haikanto malagasy. Nodimandry, noho ny aretina maro samihafa nahazo azy, i Ninie Donia. Ny gadona Salegy no tena nampalaza azy, ary maro ireo hirany nankafizin’ny Malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana omaly, teny amin’ny manodidina an’Andrafiabe, i Bezara Eliane Virginie, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Ninie Donia. Raha tsiahivina, […]
Mois : novembre 2023
FANTINA sy FINTINA
Tsy mbola nisy taham-pahavitrihana ambany tahaka izao, araka ny tatitry ny mpanara-maso ny fifidianana, Safidy. Voalohany tamin’ny tantaran’ny fifidianana koa no nisy fanemorana herinandro. Na izany aza, tsy nisy tranga nanahirana fa teo kosa ny tsy fahatomombanana madinidinika. Hivoaka ny 30 novambra izao ny voka-pifidianana ofisialy, araka ny fanambarana navoakan’ny […]
SADC, COMESA, OIF: « Nizotra am-pilaminana ny fifidianana … »
Tontosa ny sabotsy 18 novambra 2023, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fanambarana niombonan’ny SADC sy ny COMESA ary ny OIF, mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany. Nambaran’izy ireo fa nizotra tamim-pilaminana ny fifidianana teto Madagasikara. Notsindrin’izy ireo fa mbola manaraka akaiky ny fandehan’ny zotram-pifidianana izy ireo, ankehitriny, ka miandry fatratra […]
Lesoka… lesona
Vita iny ny fifidianana. Mbola ifikiran’ny sasany amin’izao ny hoe krizy na korontana politika mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana? Misy ny saina efa vonto sy donto amin’izany, miandry kendry tohina fotsiny. Tsy maka lesona amin’izay lesoka? Amin’izao, mandeha avokoa ny karazana famakafakana hanamarinan-tena fa marina sy mety izay nolazaina, […]
Voka-pifidianana vonjimaika : miakatra hatrany ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy
Mitohy ny famoahan’ny Ceni ny fironan’ny voka-pifidianana, filoham-pirenena. Manomboka miakatra hatrany koa ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Efa mihoatra ny 42% izany ny fahavitrihan’ny olom-pirenena nifidy, raha ny vokatra azo avy amin’ny biraom-pifidianana miisa 8 600 amin’ny 27 375. Izany hoe, naharaisana vokatra izany ny 31,42%. Miisa 3 920 857 ireo mpifidy […]




