Mois : novembre 2023
Volley – Ligin’Analamanga : hotohanan’ny Airtel ara-bola sy ara-pitaovana
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, ny 25 novambra izao, ny taom-pilalaovana ho an’ny ligin’Analamanga, Volley-ball. Ho fanombohana izany, vaovao tsara avy hatrany no hisantaran’ny ligy ny taona satria nahazo mpanohana izy ireo. Notanterahina omaly, tetsy Alarobia, foiben-toeran’ny Airtel Madagascar, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Madagascar sy ny ligin’Analamanga, taranja Volley-ball, […]
SOMBIM-BAOVAO
Afaka sivy andro, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny taranja tenisy. Hotanterahina ny 27 novambra hatramin’ny 3 desambra ho avy izao, ao amin’ny Club Olympique de Tananarive (COT), Ankadikely Ilafy. Tsiahivina fa handrafitra ny ekipam-pirenena Akomba de Madagascar izay tompondaka eo. Notanterahina omaly, ny fihaonana teo amin’ny […]
Handball – CCCOI : hatao ny faran’ny volana febroary 2024
Notapahin’ny AHBOI (Association de handball de l’ocean Indien) fa hotanterahina ny faran’ny volana febroary 2024, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI). Horaisin’i Maurice izany fihaonana izany, rehefa tsy vonona ny hampiantrano azy, ny Nosy Rodrigues. Ankoatra izay, nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasiona malagasy […]
“Fifanintsanana Mondial” : resy tamin’ny segondra farany ny Barea
Nanomboka omaly ny fifanintsanana hiadina ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Resin’ny Black Star avy any Ghana tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Barean’i Madagasikara. Niady mafy saingy nanao ny tsy nambinina ny Barean’i Madagascar, omaly. Lavon’ny Black Star avy ao Ghana, tamin’ny isa 1 no ho 0 izy […]




