Mois : novembre 2023

UJ- CEMAC: “Tontosa araka ny fenitra ny fifidianana”

Nanatanteraka fanambarana voalohany, vokatry ny fanaraha-maso nataony, nandritra ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena malagasy, ny mpanara-maso fifidianana, avy amin’ny “Union-Jeunesse de la comunauté economique et monétaire de l’Afrique Cen­trale” na UJ-CEMAC, omaly, teny amin’ny Tometal Maha­masina. “Nizotra araka ny fenitra iraisam-pirenena sy araka ny napetraky ny fanjakana malagasy ny […]

Velon-taraina ny mponina: mirongatra ny asan-dahalo any Mandoto

Tsy mandry andro, tsy mandry alina ireo mponina any amin’ny distrikan’i Mandoto ankehitriny noho ny halatra omby sy asa fandrobana ataon’ny dahalo any an-toerana. Niverina nahazo vahana ny tranga tsy fandriampahalemana any an-toerana tao anatin’ny telo volana farany, raha ny tatitra voaray tamin’ny mpianatra sy ny ben’ny Tanàna any an-toerana. […]

Taolagnaro sy Toamasina: sambo lehibe 2 mivahiny eto Madagasikara

Migadona ao Taolagnaro ilay sambo vaventy mitondra mpizahatany maro, vascoda Gama. Mahatratra 510 ireo te­ratany vahiny entin’ity sam­bo ity hisitraka ny hatsaran’ny tanàna ao Taolagnaro. Tera­tany alemà ny ankamaroan’izy ireo. Mandritra ny fivahinia­nan’ity sambo lehibe ity dia hanjifa ny tolotra rehetra ao an-toerana ireo mpizahatany. Fanararaotra amin’ny sehatry ny fizahantany […]

Marovoay : Manao fandrindram-piterahana avokoa ny zatovovavy

Tovovavy efatra, 16 ka ha­tra­min’ny 19 taona, samy mo­nina ao Marovoay an-tampon-tanàna no nanambara fa efa manao fandrindram-piterahana, amin’izao fotoana izao. Mbola mpianatra avokoa izy efatra mirahavavy, araka ny fanadihadiana natao tany an-toerana. Santionany anatin’ny maro ireo azo itarafana ny zava-misy ao anatin’ny kaominina. 17 taona no nitondra vohoka i […]