Toamasina: misokatra ho an’ny daholobe ny Miami mandritra ny 3 andro

Tonga ilay fotoana! Higoka ny hakanton’ny fotodrafitrasa vaovao ny mponina ao Toamasina. Hisokatra maimaimpoana ho an’ny rehetra ny Miami mandritra ny telo andro.

Nanapa-kevitra ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, fa hosokafana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka ny ao Miami (Miray hina ary mifankatia) manomboka anio ary haharitra hateloana.
Tanjona ny hahafahan’ny rehetra mahita sy hanaporofoana indrindra fa mandroso ny asa ary hisitraka toerana kanto sy mahasarika mpizahatany ny ao Toamasina.
Fotodrafitrasa anisan’ny manara-penitra sy tsara tarehy ny Miami Toamasina. Ho fanomezana fahafaham-po sy noho ny fangatahan’ny besinimaro ihany koa no hanokafana azy amin’izao faran’ny herinandro izao. Efa vita tanteraka ny tapany avaratra amin’ny fotodrafitrasa ka avela hisitraka izany ny mponina sy ireo mpialasasatra any. Misy toerana azo ipetrapetrahana mahazaka olona 5 000 isa. Toraka izany ny “esplanade” vaovao aty amin’ ny tapany atsimo izay natao handraisana hetsika sy lanonana isan-karazany.
Hisy lalao ara-panatanjahantena sy lalao samihafa hatao ao an-toerana.
Eo amin’ny fidirana Miami manoloana ny La Résidence no handraisan’ny mponina ny tapakila maimaimpoana ahafahana mitsidika ny toerana.
Anisan’ny fotodrafitrasa goavana natsangana any amin’ny faritra Atsinanana ny Miami. Fanajariana ny morondranomasina ao anatin’ny faritra iadidian’ny fanjakana malagasy ary manaja ny fepetran’ny fanorenana sy ny tetikasa Miami. Hanova tanteraka ny endriky ny tanàna ary tombony ara-toekarena amin’ny sehatra samihafa.
Tanjon’ny fanjakana ny hampitombo hatramin’ny 1 000 000 isa ireo mpizahatany ao an-toerana isan-taona amin’ny fisian’ity fotodrafitrasa vaovao sy goavana ity.

Tatiana A

Partager sur: