Mois : novembre 2023

Riana Andriamandavy : “Hanongam-panjakana ireo kandidà”

Andrana idirana amin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny fanambaran’ny kandidà Ravalomanana teny Antsonjombe, izay nanoritra mazava fa tsy maintsy ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ary tsy maintsy hanongana fitondram-panjakana, raha ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny Upar, Riana Andriamandavy, momba ny fidiran’ny vondron’ny kandidà eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. “Tsy azo sarahina […]

Fihaonana nikaton-trano : nandray ny iraky ny Sadc ny Pan sy ny FFKM

Mitohy ny fikaroham-bahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Anisan’ny manao izany ny vovonana iarahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), Razanamahasoa Christine, sy ny eo anivon’ny FFKM. Noraisin’izy ireo teny Tsimbazaza ny iraky ny Sadc, omaly. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany. Nambaran’ny loharanom-baovao fa anisan’ny anton’ny dinika rehetra tanterahin’ity vovonana ity amin’izao fotoana izao […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanatanteraka ny fivoriana ofisialy voalohany ny komity mpanatanteraka omaly, rehefa vita ny fitsinjaram-pahefana teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Marihina fa manana tanjona goavana ny FMF, ny ahitana an’i Madagasikara, any amin’ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis. Afaka sivy andro, hiatrika ny lalao ihaonany amin’i Ghana ny ekipam-pirenena […]

«Ligue des Champions 2024» : hanala vela amin’ny Arsenal ny Seville FC

Hotanterahina anio, ny lalao miverina amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny vondrona « B » amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions (LDC) 2024 ». Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Arsenal FC, ekipa Anglisy, sy ny Seville FC, klioba Espaniola. Hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Emirates Angleterre ity fihaonana ity. […]