Riana Andriamandavy : “Hanongam-panjakana ireo kandidà”

Andrana idirana amin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny fanambaran’ny kandidà Ravalomanana teny Antsonjombe, izay nanoritra mazava fa tsy maintsy ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ary tsy maintsy hanongana fitondram-panjakana, raha ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny Upar, Riana Andriamandavy, momba ny fidiran’ny vondron’ny kandidà eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. “Tsy azo sarahina amin’ ny fikasan’izy ireo, izay hoe, tsy maintsy hiditra eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ary hitondra vahoaka hatao sorona amin’ izany. Manaporofo izany fa izy tenany no milaza fa hanongam-panjakana”, hoy ity mpanao politika ity.
Mivaona tanteraka ao anatin’ny fanaovana fampielezan-kevitra sy ny zotram-pifidianana izany fanonganam-panjakana izany. Tsy gaga ny olom-pirenena raha misy fandraisana andraikitra hentitra ataon’ny mpitandro filaminana. Ao anatin’ izany ny fisamborana kandidà, indrindra ny fepetra manokana rehetra mba tsy hahatanteraka izany fanonganam-panjakana izany. Saro-piaro tahaka ny maha saro-piaro eo anoloan’ny Lalàmpanorenana amin’ny fiarovana izany zotram-pifidianana izany koa ny fiombonambe iraisam-pirenena. Manamarina ny fanambarana farany nataon’ny Sadc fa hiaro ny zotram-pifidianana eto Madagasikara ny fiombonambe iraisam-pirenena. Ny fifidianana filohan’ny Repoblika, fihodinana voalohany, amin’ny 16 novambra izany. Mampirisika sy hiantoka ary hanara-maso an’izany ry zareo.

R. Nd.

Partager sur: