Efa ao anatin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny eo anivon’ny HCC amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’ izany koa ny fandraisana ireo fitarainana na fitoriana. Ny tsy fanarahan-dalàna hita nandritra ny fifidianana no fitoriana voarain’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny, Ranesa Firiana, teny Ambohidahy, omaly. […]
Mois : novembre 2023
Notambazana 1 hetsy Ar : ankizivavy T5 naolana lahiantitra 88 taona
Lehilahy lehibe 88 taona nosamborin’ny polisy noho ny fanolanan-jaza 13 taona tao amin’ny fokontany Befaritra, kaominina Soavinandriana, distrikan’ i Soavinandriana, faritra Itasy, ny marain’ny zoma 24 novambra teo. Namonjy sekoly ao Andraibiby toerana misy ny EPP io zazavavy mpianatra io. Miditra ao amin’ilay lahiantitra izy ka notambazan’ity farany vola 1 […]
TSELATRA
Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, ny kolonely roa voalaza fa nikasa hanongam-panjakana sy hanao fikomiana. Nikasa hitarika miaramila, hanakana ny fizotry ny fifidianana ho filoham-pirenena izy ireo, araka ny antontan-taratasin’ady. Natolotra ny fampanoavana rehefa notazomina nandritra ny herinandro mahery teny anivon’ny zandarimaria izy ireo. Renim-pianakaviana iray voaendaka tao anaty taxi-be teo […]
Mirongatra ny fakana an-keriny: ataon’ny jiolahy fitadiavam-bola
Mirongatra indray tato ho ato ny trangana fakana an-keriny any amin’ny faritr’i Vonizongo. Tambajotra goavana mihitsy no miketrika ny raharaha. Tsy vitan’izay fa zary lasa ataon’ny jiolahy fitadiavam-bola izany. Na teo aza ny ezaka nataon’ny zandarimaria, mahazo vahana ny fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’Ankazobe. Maika manome vahana ny asan-jiolahy ny […]




