Mois : novembre 2023

Rakool : handeha ho any Frantsa

Nambaran’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora, teny Mahamasina, omaly, fa efa nahazo taratasy “visa”, Razafindranaivo Koloina na Rakool, malagasy mpilalao baolina kitra. Hilalao any amin’ny klioba frantsay, Athletic Club Arlésien (D6) ity Malagasy lohalaharana ity. Maharitra herintaona eo ny fifanarahana ary azo havaozina izany. Marihina fa tao amin’ny Five FC […]

Fikirakirana fifidianana : hamoaka vokatra ofisialy ara-potoana ny HCC

“Efa miasa izahay, fa tsy miandry ny valim-pifidianana vonjimaika avy amin’ny Ceni”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, teny Ambohidahy, afakomaly, ny amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Efa misy antontan-taratasy avy amin’ny Vao­miera mpanisa vato (SRMV) isaky ny distrika tonga eny amin’ny HCC. Raha andra­sana […]

Madagasikara : fahatelo iharan’ny fiovan’ny toetr’andro

Anisan’ny firenena marefo mitana ny laharana fahatelo eto Afrika i Madagasikara, amin’ny lafin’ny fiovan’ny toetr’andro. Miankina betsaka amin’ny toetr’andro ny fampandrosoana ny firenena. Indrindra ny eo amin’ny lafiny ara-tsosialy, ny toekarena ary ny fahasalamana. “Ilaina hamafisina ny fahaiza-manao sy ny teknolojia ary ny fanampiana ara-bola ahafa­han’i Madagasikara miatrika ny fiovan’ny […]