Madagasikara : fahatelo iharan’ny fiovan’ny toetr’andro

Anisan’ny firenena marefo mitana ny laharana fahatelo eto Afrika i Madagasikara, amin’ny lafin’ny fiovan’ny toetr’andro. Miankina betsaka amin’ny toetr’andro ny fampandrosoana ny firenena. Indrindra ny eo amin’ny lafiny ara-tsosialy, ny toekarena ary ny fahasalamana. “Ilaina hamafisina ny fahaiza-manao sy ny teknolojia ary ny fanampiana ara-bola ahafa­han’i Madagasikara miatrika ny fiovan’ny toetr’andro”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny vovonana Aika.
Nisy ny atrikasa nataon’izy ireo tetsy Anosy, omaly. Ham­pifandraisana sy hampiomanana ny fiarahamonim-pirenena malagasy hiatrika ny “Cop28”. Izay hotanterahina any Dubaï, ny 30 novambra hatramin’ny 12 desambra ho avy izao. Miom­pana betsaka amin’ny fanohanana ny adisisika eo amin’ny fanjakana sy ny fahaiza-manao entina mampihatra ny adihevitra eto amin’ny firenena ny dinika. Tanjona ny hanarenana ny lesoka eto amin’ny firenena sy ny hanamafisana ny adisisika amin’ny tohana manoloana ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro.
Marihina fa efa nanomboka niady tamin’ny fiovan’ny toetr’ andro ny firenena malagasy nanomboka ny taona 1995.

Mino

Partager sur: