“Efa miasa izahay, fa tsy miandry ny valim-pifidianana vonjimaika avy amin’ny Ceni”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, teny Ambohidahy, afakomaly, ny amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Efa misy antontan-taratasy avy amin’ny Vaomiera mpanisa vato (SRMV) isaky ny distrika tonga eny amin’ny HCC. Raha andrasana ny voka-pifidianana avy any amin’ny Ceni, tsy ho tratra ny fe-potoana hamoahana ny valim-pifidianana ofisialy. Eny amin’ny HCC avokoa ny fitanana an-tsoratra (PV) tamin’ ny fifidianana, ny fanisana vatom-pifidianana… Amin’ izany no ijerena raha misy trangan-javatra na tsy fanarahan-dalàna, izay mety mitarika amin’ny fanafoanana amin’ ny ampahany na manontolo ny voka-pifidianana teny amin’ny birao fandatsaham-bato.
Raha misy fahadisoana madinidinika momba ny tarehimarika amin’ny voka-pifidianana, ny HCC no manitsy izany. “Tsy izay sitraponay no atao amin’ny asa, fa manaraka ny lalàna”, hoy izy. Tsy maintsy vita alohan’ny fe-potoana farany omen’ny lalàna ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy. Rehefa mivoaka ny voka-pifidianana vonjimaika avy amin’ny Ceni, misy fe-potoana hahazoana manao fitoriana. Raisin’ny HCC an-tanan-droa ary tsaraina amim-pahamarinana raha misy ny fitoriana, araka ny nambarany.
R. Nd.




