Tsy misy lalàna sy fototra manery ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) hoe tsy maintsy miandry ny 19 janoary ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika voafidy, araka ny fanazavan’ny mpahay lalàna sady loholona, Andrianandrasana Tahina Hajaniaina, teny Anosy, omaly, momba ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika vaovao. “Tsy mametra ny daty hanaovana fianianana […]
Mois : novembre 2023
Rakotoarijaona Jerry : “Ho marin-toerana ihany ny fanjakana hijoro eo”
Mahabe adihevitra amin’izao ny hoe hanana ny maha ara-dalàna azy ny fitondrana mijoro eo, fa tsy hanana ny ara-drariny tamin’iny fifidianana iny. Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires malagasy (JPRM), Rakotoarijaona Jerry: “Na inona na inona mbola resahina, resy lahatra amin’ilay mpitondra ny olona. Izay no […]
TARATRY ny KANTO
« Trio Inédit ». Ny 19 novambra teo, nanatanteraka seho i Felaniary sy i Lilie. Hitohy ny sabotsy 25 novambra izao izany ao anatin’ny « Trio inédit sur Bordeaux ». Fampiaraham-peon’i Elsie sy Felaniary ary Lilie, hotanterahina ao amin’ny 26 Chemin du pas de la côte 33140 Villenave-d’Orion any Bordeaux. Anisan’ny hitana ampaham-potoana lehibe mandritra […]
fampisehoana “Ô” Théâtre Kala : haneho ny maha izy azy ny Théâtre Kala
Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft Andavamamba), ny Alarobia 6 desambra 2023, ny fampisehoana “Ô”, iarahana amin’ny vondrona mpanao Théâtre Kala . Seho an-tsehatra hanehoana ny dihy manana ny maha izy azy avy any amin’iny faritra atsimon’i Madagasikara iny izy ity. Ankoatra ny fampisehoana ny talenta sy fahaiza-manaon’ny ankizy ao […]
Hira evanjelika: tafaraka ny andrarezina
Tranga tsy fahita firy eo amin’ny tontolon’ny hira fitoriana ny Filazantsara sy ny hira evanjelika amin’ny ankapobeny. Hifarimbona hanatanteraka fitoriana an-kira ny antoko mpihira roa anisan’ny andrarezina amin’izany : ny Hosana Ambohijatovo Fitiavana sy ny Tanora Masina Itaosy. Fampisehoana hotanterahina ny alahady 26 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao […]




