Mois : novembre 2023

Fiombonana : “Tsy tokony hiandry krizy vao hifampiresaka”

“Ilaina ny fifanakalozan-kevitra. Tsy hoe hiandry krizy vao hifampiantso sy hifampiresaka isika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny fivoahan’ny fironan’ny voka-pifidianana vonjimaika amin’izao. Betsaka, ohatra, ny tsy ara-dalàna hitan’ny kandidà lah. 13, izay efa avoakany tsikelikely. Midika izany fa tsy maintsy hanohitra ny voka-pifidianana […]

Hiffim: “Ho hita ny hatao aorian’ny valim-pifidianana”

Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), tarihin’Andriamiseza Alain. Nambarany fa miandry aloha izy ireo izao. “Nanome fotoana ny tenako hoe amin’ny volana janoary 2024 isika mihaona. Misy antony ao matoa aho miteny an’izany. Heveriko fa amin’izay […]

INDRAY MIJERY

Nanome ra maimaimpoana teny amin’ny Mosquée Palestine 67 ha, omaly, ny fikambanan’ny Tanora silamo sonita eto Madagasikara, FT2SM, sy ny YGC (Youth Generation Conqueror). Fanavotana ain’olona no tanjona ary tafiditra ao anatin’ny Androm-paritra ho an’ny fanomezan-dra rahateo. “Betsaka ny olona tsy ampy ra dia mba mandray anjara amin’ny fanampiana azy […]

“16 jours d’activisme”: marolafy ny ady amin’ny herisetra

“Isika rehetra mitambatra mba hisorohana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy”. Io no lohahevitra maneran-tany mandritra ny “16 jours d’activisme”, fe-potoana natokana hanatanterahana ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy, ny 25 no­vambra izao. Manana anjara amin’izany ny Mpanazava eto Madaga­sikara. Ny fandraisan’anjaran’ny rehetra mandritra […]

Masoivoho amerikanina : nahazo boky ny akany fitaizana zaza kamboty

Boky, mirakitra karazana haren-tsaina, no natolotry ny masoivoho amerikanina ireo akany fitaizana zaza kamboty sy toeram-pianarana vitsivitsy eto Antananarivo, omaly. Nankasitraka ny finiavan’ny mpitantana ireo toeram-panabeazana ireo ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, noho ny vokatsoa azon’ireo ankizy sy mpianatra amin’ny fanabeazana omena azy. “Matoky aho fa ho tonga eny am-pelatanan’ny […]