Tsy mety milamina ny tontolon’ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Miverina mikatso ny fampianarana. Milaza fa iharan’ny antsojay ny Seces. “Vara-datsaka ho an’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, mikambana ao amin’ny Seces sampana Antananarivo, ny fanapahana ny karaman’ireo mpitari-tolona”, araka ny fanazavana nomen’izy ireo. Toraka izany ny fiantsoana ny filohany, Ravelonarivo […]
Mois : novembre 2023
Pr Rasamoelina Henri: « Tokony hahay andray lesona ny Malagasy… »
Efa hatramin’izay no niteraka olana sy loza mitatao ho an’ny firenena ny fifidianana, indrindra ny an’ny filoham-pirenena, noho ny lesoka amin’ny fanatanterahana azy, araka ny nambaran’ny Pr Rasamoelina Henri, mpampianatra mpikaroka sy mpahay tantara. «Ny janoary 1972 no nanomboka nanarahako akaiky ny raharaham-pirenena, indrindra ny fifidianana. Maro ny lesona tsara […]
Fironana avy amin’ny Ceni: efa mihoatra ny antsasa-manila ny voka-pifidianana
Ho tratra ihany ny fe-potoana. Efa mihoatra ny antsasa-manila ny voka-pifidianana navoakan’ny eo anivon’ny Ceni, hatramin’ny omaly hariva. Tafakatra 68% mahery ireo biraom-pifidianana naharaisan’izy ireo vokatra tamin’izany ka anisan’ny misongadina fa efa vitsy sisa ireo birao fandatsaham-bato (BV) tsy nahazoana vokatra ho an’ny faritanin’ Antananarivo. Mihoatra ny 44% kosa ny […]
Komity foibe any Fianarantsoa: hanapa-kevitra amin’ny raharaham-pirenena ny FFKM
Hotanterahina amin’ny herinandro, any Fianarantsoa, ny fivorian’ny Komity foibe eo anivon’ny FFKM. Anisan’ny andrasana amin’izany ny ho fanapahan-kevitr’izy ireo manoloana ny fiainam-pirenena. Hanomboka ny alarobia 29 novambra ny fivoriambe. Tsy azo ihodivirana ny momba ny hanohizan’ny FFKM ny fandaminana sy ny fanelanelanana ny toe-draharaham-pirenena. “Hodinihina ny ho tohin’ny ezaka efa […]
Antenimierampirenena : Tsy marina ny resaka fanonganana ny filoha
“Tsy misy na fivoriana indray mandeha aza hoe hevitra hanonganana ny filohan’ny Antenimierampirenena, na handravana sy hanovana ny birao maharitra”, hoy ny kestora faharoa izay depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotomanga Lanto, teny Tsimbazaza, afakomaly, manoloana ny hoe fikasana hanonganana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, noho ny fijoroany hanao fanelanelanana […]




