« Herinandron’ny Havàtsa-Upem »: « …Tratra ny tanjona », hoy i Hajaina Andrianasolo

Tontosa ny « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Nilaza ny heviny ny amin’ny fahitany ny zava-nisy sy niainana izany i Hajaina Andrianasolo, filohan’ity fikambanana manome hasina ny tontolon’ny soratra ity

« … Amin’ny ankapobeny, tratra ny tanjona. Nan­dray anjara ny 80% ny mpikambana mavitrika. Tonga ny mpianatra, indrindra ireo mpampianatra taranja malagasy sy ny mpikaroka », hoy i Hajaina Andrianasolo, filo­han’­ny Havàtsa-Upemn raha namintina ilay hetsika « Heri­nan­dron’ny Havàtsa-Upem » izay tontosa ny faran’ny herinandro teo. Manamafy ireo ny famoahan’ny mpikambana maro boky. « Na eo aza ilay hoe: tsy maika hamoaka boky, saingy, tokony hamoaka boky. Tamin’ity taona 2026 ity no betsaka ireo mpikambana ao amin’ny Havàtsa-Upem na­moaka boky, raha oharina amin’ireo andiany teo aloha », hoy hatrany ny filohan’ny Havà­tsa-Upem. Ankoatra ireo, nampiavaka ny « Herinan­dron’­ny Havàtsa-Upem » taona 2026, ny fametrahana mariboninahitry ny kanto ho an’ny mpikambana sy ny fanasongadinana ireo mpikambana tanora tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ma­nomboka izao.
Ho an’ny hetahetan’ireo mpitsidika maro nandritra ny hetsika. Iray amin’ireny ny hanatontosana ny « Herinandron’ny Havàtsa-Upem » indroa ao anatin’ny taona iray. « Azo dinihina izany, kanefa mety endrika hafa ny hanehoana azy mba tsy hitovy tanteraka. Ny ao amin’ny Havàtsa-Upem, rahateo, teny ierana avokoa ny fanapahan-kevitra », hoy i Hajaina Andrianasolo. Noma­rihiny fa efa ankatoky ny taom-pankalazana ny faha-75 taona ity fikambanana ity.

HaRy Razafindrakoto.

Partager sur: