ONG MADE : hametraka sekolin’ny ray aman-dreny

Nosoniavina tetsy amin’ny birao fiasan’ny Fitaleavana misahana ny fanabeazam-bahoaka ho olom-pirenena (DEMC) Ambatomena ny fifanaraham-piaraha-miasa miaraka amin’ny ONG Maison des enfants (MADE), ny herinandro lasa teo. Ny talen’ny DEMC sy ny solontenan’ny ONG MADE no nanatanteraka izany.
Tanjon’ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta ny hametraka sekolin’ny ray aman-dreny (EDP) eo anivon’ity fikambanana tsy miankina ity, eny Benasandratra. Manaraka izany, ny hanofana mpanabe ray aman-dreny miisa folo, avy eo amin’ny ivontoerana hanofana ray aman-dreny eny amin’ny fokontany Antohomadinika indray.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny drafitrasa fanao isan-taona ho an’ny DEMC, eo anivon’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena, ny fametrahana EDP eny amin’ny sekoly sy ny fiarahamonina, hivoizana ny lohahevitra mikendry fiainam-piarahamonina mirindra.
Nanomboka ny taona 2007 ny ONG no nisehatra tamin’ny fananganana ivontoerana ho an’ny fianakaviana teto Antananarivo. Manana tetikasa roa koa ny ONG, mifototra amin’ny fanampiana ireo tsy ampy taona.

Vonjy

Partager sur: