Mitondra torohevitra ho an’ireo diabetika amin’ny fomba fiaina miatrika fety ny dokotera Ratsitratrinihafa José, ao amin’ny Amadia.
Miaina sy misakafo toy ny olona rehetra ny diabetika fa tsy tokony ho tapaka ny fanafody, hoy
ny dokotera Ratsitratrinihafa José. Tohizana ny fanatanjahantena, lanjalanjaina ny sakafo ary avela haka aina ny vatana, atao ampy ny torimaso.
Hajaina ara-potoana ny sakafon’ny diabetika. Tsy tokony ho tara loatra, tsy misakafo matetika fa manodidina ny amin’ny 6 ora ny sakafo maraina, amin’ny 12 ny sakafo atoandro ary amin’ny 7 ny sakafo hariva.
Afatra amin’ny kaopy sy vilia kelikely ny sakafo ohanina mba tsy hihoa-pampana. Iray tanana ihany ny voankazo ohanina dia mionona.
Mahazo mihinana mofomamy ihany koa ireo diabetika fa tokony ivelan’ny fotoana isakafoana ary lanjalanjaina hatrany anefa izany.
Hajaina fatratra ny fahadiovan’ireo sakafo ohanina amin’izao andro mafana izao. Ho an’ny diabetika, zavatra kely dia mety hanakorontana ny fahasalamana. Menaka manta no tena tsara ohanina, fadifadiana ny fihinana zavatra endasina betsaka. Divay kelikely no sahaza ny diabetika fa tsy mety ny toaka betsaka.
Tohizana ny fanatanjahantena
Tena ilaina ny mampiasa vatana ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ny diabetika na dia mafana aza ny andro. Na avy aza ny orana dia mihetsiketsika ao an-trano manao izay vita.
Raha mihoatra kely ny sakafo nohanina dia hampitomboina kely ny fampiasam-batana handevonana ny siramamy.
Tsy mampiakatra fahatany ny fatran’ny fanafody ary tsy tapahina mihitsy ny fihinanana izany. Tsy tokony hanao vizana loatra mandritra ny fety. Fadiana ny fiaretan-tory, atao tsara ny torimaso ary fehezina ny rarintsaina.
Ho an’ny fianakaviana manana olona toe-tena diabetika, tsy tokony hanome fakam-panahy azy ireo. Manampy azy ireo amin’ny fitandremana aza no tokony hatao. Mampirisika amin’ny fanatsarana ny fahasalamany.
Tatiana A




