Lany teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny faran’ny volana oktobra teo, ny fiantohana ny saran-dalana sy ny fanomanana ny fahatongavan’ireo mpianatra 20 mianadahy sangany nahazo vatsim-pianarana ho any Maroc. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Office de la formation professionnelle et de la promotion du travail (OFPPT) ary ny Agence marocaine de coopération internationale (AMCI) no nahafahana nanatontosa izany. Voafaritra ao anatin’ny fifanarahana rahateo fa isan-taona, hisy mpiofana 20 hisitraka vatsim-pianarana ho any Maroc. Amin’ity taom-piofanana 2023-2024 ity, niainga nihazo an’i Maroc, ny faran’ny herinandro lasa teo, izy 20 mianadahy solontena mendrika indrindra isam-paritra. Hanaraka sampam-piofanana 19 toy ny Gestion des entreprises, Techniques agricoles, Technico-commercial en vente de véhicules et pièces de rechange, Arts culinaires, Service de restaurant “Art de la Table” hatramin’ny Technicien en fabrication mécanique, Techniques de bois, Technicien en froid commercial et climatisation, izy ireo.
Marihina fa haharitra roa taona ny fiofanana ary hiverina an-tanindrazana izy ireo hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, araka ny voasoratra ao anatin’ny fifanarahana, rehefa vita izany.
Vonjy




