Taom-pahavaratra 2022-2023 : faritra 10 amin’ny 23 nitondra faisana vokatry ny rivodoza

Ilaina ny manavao ny drafitrasa hiatrehana ny hamehana toy ny rivodoza, hampihenana ny voka-dratsy amin’ny olona sy ny fihariany ary ny fotodrafitrasa samihafa.

Taorian’ny faritra hafa, anjaran’ny faritra Boeny ny fanatontosana atrikasa fanavaozana ny drafitrasa hiatrehana ny hamehana (PCR), notarihin’ny Prefen’i Mahajanga sy ny talen’ny Cervo, Razafimandimby John Herimiandry. Notronin’ireo teknisianina avy eo anivon’ny BNGRC sy ireo lehiben’ny distrika sy ben’ny Tanàna amin’ireo kaominina matetika tra-doza ao Boeny. Nandray anjara koa ireo sampandraharaham-paritra isan-tsokajiny, fikambanana sy ONG misahana mivantana ny mahaolona.
Araka ny antontanisa avy amin’ny BNGRC, maherin’ny 200 ny olona namoy ny ainy vokatry ny rivodoza maro nifanesy tamin’ny taona 2021-2022. Ny taona 2022-2023, faritra miisa 10 amin’ireo 23 no nitondra faisana, niverimberenan’ny rivodoza Cheneso sy Freddy izay niteraka traboina maherin’ny 190 000.
Vokatr’izany, hampihenana ny fiantraikan’ny loza voajanahary toy izao, ilaina hatrany ny fanavaozana ny drafitrasa hiatrehana ny hamehana (plan de contingence régional).
Fotoana iray nahafahan’ireo mpiantsehatra nanao jery todika ny asa rehetra izay natao nandritra ny fiatrehana ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy tamin’ity taona ity. Hohamafisina ny fomba entina miatrika ny loza voajanahary maro samihafa.
Taorian’ny atrikasa, drafitrasa vaovao no hatsaraina, narafitra avy tamin’ny hevitr’ireo mpizaika no hampiasain’ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany hitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ho an’ny taona 2023-2024. Marihina fa noho ny fiovan’ny toetr’andro amin’izao, rivodoza mahery vaika iray dia efa mety hiteraka voka-dratsy goavana. Ampirisihina sahady dieny izao ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny vanim-potoanan’ny rivodoza fanao isan-taona.
Vokatry ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny BNGRC sy ny Unicef no nahafahana nanatanteraka ny atrikasa.

Vonjy

Partager sur: